ARAHABA TRATRY NY ASARAMANITRA E  2010 

 


Ny fotoana tokoa tsy azo tazonina, ary tsy tompon’ny fotoana isika. Nieren-doza, lavitra ny sampona, notsimbinin’ny fahasoavan’Andriamanitra, ka tafita soa eto amin’ny taona vao mitsidika ity.  Mitombo taona iray indray ny andro iainana, koa miarahaba antsika mianakavy tratrin’izao taom-baovao 2010 izao. Misaotra an’Andriamanitra mpandahatra ny zava-drehetra fa tafita soa an’iny taona 2009 iny, izay lasa nivalona any amin’ny varo tsy mifody. Koa arahaba tompoko tratran’ny Asaramanitra. Miroso hatrany isika manatanteraka ny asa anirahan’ny Fiangonana antsika. Tsy maintsy manaiky hisahirana ny Kristianina, toy ireo Majy nanaraka ny kintana mpitari-dalana. Irahina fa tsy manira-tena fa vonona amin’ny fanoloran-tena.

Koa alao hery ry izy mianakavy fa maro ny asa pastôraly miandry antsika rehetra amin’ity taona ity. Izay mino an’I Jesoa dia manao ny asany, mpiara-miasa Aminy isika. Hampanjaka ny fihavanana sy ny fahamarinana. Tsy miandrandra afa-tsy ny Sitrapon’Andriamanitra.
Ny Aumônier, ny Birao sy ny filan-kevitra Pastôraly dia mirary soa sy fanambinana ary fahasalamana antsika mianakavy, isam-batan’olona, isan-tokantrano sy isam-pikambanana. Hamboly hahavokatra, hiompy hahatavy. Ho hambinin-java-manasatra e. Mahareta sy mahereza daholo eo ambany fitahian’ny Tompo. Ho lava andro, hateza taona daholo e ! Manjatoa vola, manarivoa fananana.

« Ilainareo tokoa ny faharetana, mba hahazoanareo izay nampanantenaina anareo, rehefa nanao ny sitrapon’andriamanitra ianareo » Hebrio 10, 36.

ELIASY Liva
Prezidàn’ny FKMP

 



  Thierry ANDRONIC