Fihaonambe diosezana 25 septambra 2010
Notre-Dame de Paris


FANOKAFANA NY TAONA PASTORALY SY FANIRAHANA (DIOSEZY PARIS)
Natao ny Asabotsy 25 septambra 2010 lasa teo tamin'ny 9 ora maraina tao amin'ny Cathédrale Notre Dame de Paris ny fanokafana ny taona pastoraly  sy fanirahana ireo Filan-kevitra Pastoraly teto amin'ny Diosezin'i Paris. Nitarika ny fotoana ny Kardinaly  André Vingt-Trois notronin'ireo Eveka mpanampy azy. Voaantso  ary nanoina ny antso ny Fiangonantsika FKMP ka nisy solontenan'ny Filan-kevitra pastoraly nanatrika ny fotoana. Nankinina tamin' Andriamanitra ny fotoana ka vavaka no nanombohana azy :  
« Tompo ô sokafy ny vavanay ; dia hanambara ny fiderana Anao izahay vahoakanao »
Salamo faha-8  : « Fa lehibe tokoa ny Anaranao Andriamanitra » sy ny Salamo faha 127 : « Mba sambatra izay matahotra an'Iaveh ».

Asabotsy_25septl2010   Asabotsy_25septl2010   Asabotsy_25septl2010

ASSEMBLEE PAROISSIALE
Telo taona no atokan'ny Diosezy hikatrohana ny « Paroisses en Mission ». Tamin'ny taona lasa teo dia ny « Eokaristia sy ny fanirahana ». Noentanina ny Fiangonana hampiditra lalindalina kokoa ny kristianina tsirairay ao anatin'ny Misterin'ny Eokaristia , ka mahatonga ny Fiangonana ho marika sy fomba ifandraisany amin'Andriamanitra sy mampiray ny olombelona. Natao hanampy tamin'izany ny fanaovana Fivoriamben’ny mpiangonana (Assemblée Paroissiale). Fivoriambe roa no nokendrena isaky ny Paroasy , ary nanatontosa iray isika teto amin'ny FKMP . Izany fihaonam-be izany dia nahafahantsika nifampizara ny fomba hiainantsika ny Eokaristia sy ny fiantraikan'izany eo amin'ny fiainantsika. Ny tena kendrena moa dia ny hampandray anjara ny kristianina rehetra tonga mamonjy lamesa.

Asabotsy_25septl2010   Asabotsy_25septl2010   Asabotsy_25septl2010

LA FAMILLE ET LA JEUNESSE : UNE ESPERANCE
Jery todika , tamin'ny alalan'ny fijerena horonan-tsary no nanohizana ny fotoana.
Ho an'ity taona 2010-2011 ity, dia nandefa taratasy pastoraly mitondra ny lohateny hoe : « La Famille et la Jeunesse : une espérance » ny Kardinaly, ka ny tanjona dia ny ahafahan'ny Paroasy tsirairay hitrotro ny fianakaviana , arak'izay fomba fisehony amin'izao taonjato izao, ka hanampy azy ireo hitaiza ny zanany mba ho olona manana fahafahana tanteraka amin'ny maha-olombelona sy ny maha-kristianina.

Asabotsy_25septl2010   Asabotsy_25septl2010   Asabotsy_25septl2010

FAMETRAHANA NY RAY AMAN-DRENY HO MODELY
Sokajin'olona telo : raibe sy renibe, ray sy renim-pianakaviana ary tanora iray no nilaza ny fomba fijeriny sy ny fomba nandraisany io taratasy pastoralin'ny Eveka io . Ny nisongadina dia ny fametrahana ny ray aman-dreny ho modely , fa tsy fe modely fotsiny fa mamela toerana ho an'ny zanany ahafahan'izy ireo hivelatra amin'ny maha-izy azy ; ny maha-zava-dehibe ny andraikitry ny fampianarana katolika sy ny fiangonana eo amin'ny fitaizàna ary ny anjara toeran'ireo fikambanana masina toy ny skotisma eo amin'izany sehatry ny fanabeazana izany.

Asabotsy_25septl2010   Asabotsy_25septl2010   Asabotsy_25septl2010

FIFAMPIZARANA AMIN'NY KRISTIANINA
Entanina ny Paroasy tsirairay hanohy ny Fihaonambem-piangonana , mba hifampizaràn'ny kristianina ny fomba fijeriny sy ny fiainany izany fitaizàna izany ary ny anjara-toerana omena ny tanora.
Ranombavaka sy vavaka ho an'ny fianakaviana ary fanankinana azy amin'i Masina Maria no nanohizana ny vavaka.

Asabotsy_25septl2010   Asabotsy_25septl2010   Asabotsy_25septl2010

FIARAHA-MIALA HETAHETA
Nifarana tamin'ny fiaraha-miala hetaheta tao amin'ny zaridainan'ny Katedraly ny fotoana, ka nahafahan'ireto solontenantsika niresaka  sy nifanakalo hevitra tamin'ireo eveka sy pretra ary  kristianina avy amin'ny Filan-kevitra pastoraly hafa teto amin'ny Diosezy.

Asabotsy_25septl2010   Asabotsy_25septl2010    


Mpanao tatitra : Fara RASOLOJAONA (FKMP)

Sary : Liva ELIASY (FKMP)



  Thierry ANDRONIC