|
“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo” ( Joany 15, 12 ) Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France 171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS Site : http://www.fkmp.org/ |
|
|||||||||||
|
ALAHADY 13
MEY 2012 |
|
|||||||||||
|
cérémonie de la remise de
Croix aux Servants d’Autel |
||||||||||||
|
|
|
|
|
|
||||||||
|
Tiffanie |
|
Miharisoa |
||||||||||
|
Fanja |
Dinasoa |
|||||||||||
|
Tanjona |
Pierre |
|||||||||||
|
|
Hery |
Rija Ghislain |
Ndrenja |
|
||||||||
|
|
||||||||||||
DIMANCHE 13 MAI 2012 –
6ème DIMANCHE DE PAQUES
ANNEE B – Couleur
Liturgique : BLANCHE
|
|||||||||||||
|
|
|||||||||||||
|
FANOMPOANA
AM-PIFALIANA |
||||||||||||
|
Andro lehibe ho an’ny Fiangonantsika FKMP
androany. Fametrahana ara-pomba litorizika ny Vondron’ny Mpiserivy Lamesa. Ny
teny faneva : MANOMPO (SERVIR).
Santa-bokatra ara-pinoana lehibe izao. Nefa koa tena hanamarika ny
fiainan’ireto zanaka sy zandrintsika ireto izay hanao fanomezan-tena eto
anoloan’ny Lakroa fa hanompo sy hanara-dia an’i Kristy amin’ny fanampiana ny
Pretra mandritra ny Soron’i Kristy eto amin’ny Ôtely Masina. Isika rehetra dia
mahatadidy fa taloha dia « enfants de chœur » no niantsoana ny
mpiserivy Lamesa. Ny rafitra dia misy ara-dalàna eo anivon’ny Fiangonana
Katolika (jereo tovana etsy ambany)
sady fandalinam-pinoana feno no fitaizana ara-litorizika, hazavaina
ara-tSoratra Masina. Ny fiofanana omena dia mampahafantara azy ireo amin’ny
antsipiriany ny fitaovana rehetra ilaina ety amin’ny Ôtely Masina, ny
fanamiana ary fizotran’ny Lamesa sy ny heviny. Fampianarana manontolo ny
Litorizia. Izy ireo koa amin’ny alalan’ny fihetsika maotina sy mirindra dia
manampy ny vahoakan’Andriamanitra hivavaka isan’Alahady. Ny Miserivy Lamesa dia fanompoana
am-pifaliana an’i Kristy sy fanaran-dia Azy. Miezaka koa ho tia sy hanompo ny
olon-drehetra araka ny toe-tsaina entanin’ny Vaovao Mahafaly : manetry tena, mandefitra, toe-tsaina tia
manompo, misokatra amin’ny hafa. En quelques mots, être servant d’autel : C’est d’abord ressembler à Jésus. Il est le Serviteur de
Dieu et il se fait notre serviteur. Le lavement des pieds ouvre le repas de
la dernière Cène. Servir la messe, c’est entrer dans ce service de Jésus. Ce
que cherche le servant de messe, c’est que les fidèles puissent mieux prier.
En servant le prêtre, en apprenant à vivre ce service dans la prière, en
cherchant à faire quelque chose de beau, simplement par amour pour Jésus, le
servant aide toute l’Assemblée à mieux vivre la liturgie de l’Église. Ce
travail demande générosité et compétence. Un grand merci à ceux qui ont la
première et qui acquièrent la seconde. Koa mahaleova mahalasana ry zandry malala
isany : Liantsoa, Mirana, Dinasoa, Miharisoa, Fanja sy Tiffanie ary
Pierre. Ary ireo zoky : Ndrenja,
Rija sy Hery. Mivavaka ho anareo i Md Tarcisius, tanora martiora, olomasina mpiaro ny mpiserivy
Lamesa. Soava dia !
|
|||||||||||||
|
Liva ELIASY |
|||||||||||||
|
Mpanentana ny
Groupe Servants d’Autel |
|||||||||||||