Fitsangatsanganana niaraka tamin'ny ankizy
Ankizy FKMP
Sary miisa 60 (Volamiarinjato)

Tohiny...
Gasikaranay vonjeo FKMP Feon'anjomara
Takariva mena masoandro
Fety Fiangonana
( sary miisa 204 : fkmp.org, TSIVERIZO )

" Roapolo taona mahery aho izay no mpikambana tato amin'ny FKMP, fa hafa noho ny hafa iny takariva iray iny..." Izany no ako heno tetsy sy teroa taorian'iny fety "takariva mena masoandro iny".

( tohiny...)
Fankalazana ny fetin'ny Paka
Herinandro Masinasary miisa 94 (fkmp.org)

Paka fitiavana, Paka famonjena...
Nandritry ny herinandro maninjitra no fotoana nentin'ny fiangonana nankalazana ny Paka. Vakitenin'ny Soratra Masina, hira, vavaka, fiaretan-tory : izany no anisan'ireo fomba nentina mba hisaorana sy hiderana ny anaran'Andriamanitra noho ilay famonjena sy fitiavana lehibe natolony ho antsika.
Tonga marobe foana ireo kristianina namonjy ny fotoana nandritra io herinandro io izay efa nanomboka ny alahadin'ny sampan-kazo. Ny alin'ny sabotsy masina dia somary niavaka ihany koa satria ankoatra ny fankalazana ny fetin'i Kristy ilay FAHAZAVANA dia fotoana natokan'i Nadia Lisy ANDRIAMANANTENA sy RAKOTOMANANTSOA Andrianome (Mémé) nanehona ampahibemaso ny finoan'izy ireo ("profession de foi").
Toy ny fanao efa mahazatra ny Fiangonana Katolika Malagasy eto Parisy dia ny Antokom-pihira FEON'ANJOMARA no nanokatra ny fotoana ny alahadin'ny Paka tamin'ny alalan'ny antsam-panahy.












Fotoana manaraka
Lamesa

Alahady 29 Janoary 2012
amin'ny 4 ora tolank'andro
(16h00)

ALAHADY TSOTRA FAHA-4

Chapelle Saint Paul
171, boulevard Brune – Paris 14ème
Metro : Porte d'Orléans (Ligne n° 4)

 

Fampianarana

Alahady 29 Janoary 2012
amin'ny 2 ora sy sasany tolank'andro
(14h30)

KATESIZY

 

Evènements
FILAZANA MANJO

Amin’ny fanantenana ny fitsanganana amin’ny maty no ilaizana amintsika kristianina rehetra fa

i Révérend Père Marc RANAIVOSON
(Aumônier de la Communauté Catholique Malgache de Grenoble -
Prêtre Religieux Missionnaires de Notre-Dame de La Salette)

dia nantsoin’ny Ray hody any aminy ny Asabotsy 21 Janoary 2012 rehefa nivahiny 72 taona teto an-tany.(Tohiny)

+ + +

 

Sitrak’Andriamanitra no niantsoany ny Ray malalanay

Itompokolahy RAZAFINJATO François-Xavier
(Rain’i RAZAFINJATO Etienne, mpikatroka ao amin’ny Vaomieran’ny Fifandraisana)

Ny Zoma 06 Janoary 2012 rehefa nivahiny 91 taona teto an-tany.(Tohiny)

+ + +

 

Amin'ny fanantenàna ny fitsanganan-ko velona no ampandrenesanay fa

Itompokovavy Julienne RAKOTOSON
(Renin’i Dolly RAKOTOSON ary Reniben’i Tojo Lalaina RAKOTOARISON)

dia nantsoin’ny Ray hody any aminy ny Alakamisy 05 Janoary 2012 rehefa nivahiny 96 taona teto an-tany. (Tohiny)

+ + +

 

Amin'ny fanantenana ny fitsanganana amin'ny maty no ilaizana amintsika kristianina rehetra eto amin'ny FKMP fa

Itompokovavy Véronique RASOANOROVELO
(zoky vavy iray tampo amin'i Fabien RAVELOMANDA)

dia nantsoin'ny Ray hody any aminy ny Alatsinainy 02 Janoary 2012 rehefa nivahiny 60 taona teto an-tany. (Tohiny)

+ + +

 

Amin'ny alahelo lehibe sy amin'ny finoana ny Fitsanganan-ko velona no ilazana antsika Kristianina rehetra eto amin'ny FKMP fa nodimandry ny Alatsinainy 28 novambra 2011 :

Itompokolahy Victorin Laurent RATSITO 
(mpivavaka sy mpikatroka teto amin’ny fiangonantsika )

Nisy Sorona Masina natao ho fialan-tsasatry ny fanahiny teto amin'ny fiangonantsika ny Alakamisy 1er Desambra tamin'ny 10 ora maraina. (FISAORANA)

+ + +

Nodimandry koa, ny Alarobia 23 novambra 2011, teo amin'ny faha- 56 taonany :

Itompokolahy Seth RATOVOHERISON

(vadin'ny zoky vavin'ny Atoa Nary Ranaivoson, mpiangona sy mpikatroka eto amin'ny fiangonantsika)

Nisy Sorona Masina natao ho fialan-tsasatry ny fanahiny teto amin'ny fiangonantsika ny alahady 04 desambra tamin'ny 4 ora. (Tohiny)

TERA-BAO

Tsiritra Herimpitia RAKOTONARIVO
(Lahy)
 
Zanak’i Dina sy i Patrick RAKOTONARIVO

(Tohiny)

------------------------------------------

HASIN’ANDRIAMANITRA
na DENIER DE L’EGLISE

Nozaraina tamin'ny alahady 30 oktobra teo ny valopy fanaovana adidy ara-bola eto amin’ny Fiangonantsika ary iombonana amin’ny Fiangonana eran-tany.

Koa raiso am-pitiavana fa mila anao ny ezaka fitoriana ny Vaovao Mahafaly sy ny asa pastôraly rehetra. Efao am-pitiavana ny adidinao.

Misaotra Tompoko.

------------------------------------------

TATITRA FIVORIANA
(vaomiera Litorjia sy Finoana)

Nivory ny vaomieran'ny Litorjia sy Finoana tamin'ny asabotsy 12 novambra lasa teo.

Vakio ny tatitra

------------------------------------------

FISAORANA (Journée d'Amitié)

Maneho etoana ny fisaorana feno ireo rehetra nandray anjara tamin’ny "Journées d’Amitié" nokarakarain’ny Paroasy Saint Pierre de Montrouge ny Asabotsy 19 sy ny Alahady 20 Novambra lasa teo.

(Tohiny)

------------------------------------------

FIFIDIANANANA FILOHAM-PIANGONANA VAOVAO (2011–2014)

Isaorana an'Andriamanitra fa vita soa amantsara tamin'ny alahady 06 Novambra teo ny fifidianana izay ho Filoham-piangonana vaovao eto amintsika.

Ireto ny anaran'izy mirahalahy voafidy tamin'izany :

Filoha :
RASOLOFOMANANA Rivo Gérard

Filoha lefitra :
RAKOTONDRAMANGA Jean-Louis

Nijoro koa ny Biraom-piangonana vaovao :

Mpitambola : Sahondra RAMIHONE ; Mpanampy : Sabrina RAJAONAH

Mpitantsoratra : Jean Félix RAKOTONDRATSIMA ;
Mpanampy : Miary AUG–SON

Ento am-bavaka izy mianadahy isany ireo hahavita be eo amin’ny Sahan’ny Tompo.

------------------------------------------

VAOVAO EKAR (Madagascar)

Nodimandry i Mgr Jean-Paul RANDRIAMANANA. Nantsoin’ny Ray hody any Aminy tamin’ny Alarobia 09 Novambra 2011 teo I Mgr Jean-Paul RANDRIAMANANA, Eveka mpanampy tao Antananarivo. 61 taona izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao. (Tohiny)

Nahazo Eveka vaovao ny Diosezin’I Ihosy : I Mgr Fulgence RAZAKARIVONY Tantely amam-bahona tokoa ny fiainana ka na eo aza ny alahelo noho ny fahalasanan’I Mgr Jean-Paul RANDRIAMANANA, dia diboka hafaliana koa ny Fiangonana Katolika ao Madagasikara fa nahazo Eveka vaovao. (Tohiny)

------------------------------------------

Tatitra an-tsary Zaika-JMJ

Video JMJ niarahana tamin'ny Tanora St Pierre de Montrouge

------------------------------------------

FISAORANA avy amin'i

Père Edmond RAKOTONDRAMANANA

Aumônier FKMP

 

Fisaorana sy fankatelemana no atolotro sy ny fianakaviana anareo rehetra tamin'ny tsy famelanareo anay ho irery tamin' ireny andro nanjombona nahalasanan’i Dadanay Rakotozafy Joseph ireny.

Nankahery anay (indrindra ny tenako izay taty an-tany lavitra) ny fihetsika nasehonareo : tao ny telefona sesilany tsy nisy fitsaharany raha vao nahare ny fahalasanan’ny dada ianareo, ny sms, ny mails izay tsy mbola voavaly ny maro amin'izy ireny, ny fiaraha-nivavaka, ny fahatongavan’ny sasany taminareo tany an-toerana (Amboatavo –Madagascar) tamin'ny fanaovana veloma farany azy.

Eni-kaja sy enim-boninahitra izahay fianakaviana ary tsara levenana ny maty.

 

Misaotra indrindra.

 

Père Edmond RAKOTONDRAMANANA
Aumônier FKMP

---------------------------------------------------------------

------------------------------------------

SAKAFO MITAM-PIHAVANANA
Asabotsy 23 Jolay 2011

Miarahaba antsika rehetra tompoko,

Araka ny resaka nampitaina, sy namafisina hatrany teo amin'ny vaovaom-piangonana isan'alahady moa dia mampatsiahy izany fa manasa antsika rehetra ny

Asabotsy 23 Jolay 2011 izao
Manomboka @ 6 ora sy sasany hariva
Ao amin'ny Chapelle Saint Paul

Fa misy sakafo mitam-pihavanana ho fisaorana sy fankasitrahana antsika rehetra tamin'ny fanomanana sy fanatontosana ny takariva nokarakarain'ny ANCMF nifarimbonana tamin'ny FKMP.

Ny sakafo maivana aroso atolotra antsika dia :
  • Nems sy Sambos
  • Composés à la malagasy
  • Riz cantonnais sy émincés de bœuf aux oignons
  • Zava-pisotro sahaza ny mpianakavy
Koa manantena ny hihaona amintsika mianakavy sady miara-mamarana am-pifaliana ihany koa ny taona pastôraly.
Samia tahian'Andriamanitra.

Amin'ny anaran'ny
P. Alphonse ZAFIMAHAKOKO,
Aumônier National
P. Edmond RAKOTONDRAMANANA, Aumônier-ny FKMP

RAZAFIMAHATRATRA Pierre, Mpandrindra avy amin'ny ANCMF
ELIASY Liva,
Mpandrindra avy amin'ny FKMP

------------------------------------------

FFKM FRANTSA : ALAHADY 26 JONA 2011 – FETIM-PIRENENA MALAGASY

Ny Alahady 26 Jona dia nisy fiaraha-mivavaka ekiomenika nokarakarain’ny FFKM FRANTSA, ho fangatahim-pitahiana ho an’ny Tanindrazana, amin’ny fitsingerenana ny taona niverenan’ny Fahaleovantena. Izany dia natao tao amin'ny :

 

Paroisse Notre Dame des Champs

91, Boulevard du Montparnasse

 75 006 Paris

Métro : Vavin, Montparnasse
Notre Dame des Champs

Bus : 95, 96, 58, 82, 28

Taorian’ny fanompoam-pivavahana dia nisy fiaraha-miala hetaheta izay nanasana ny rehetra.

 

Misaotra antsika rehetra izay tonga niara--nivavaka hoan'ny firenena.

------------------------------------------

ANTOKO MPIHIRA “FEON’ANJOMARA” Maneho fisaorana

Ny Antoko Mpihira “Feon’anjomara” dia maneho etoana ny fisaorana sy fankasitrahana antsika mianakavy tamin'ny fiaraha-mivavaka an-kira, Antsam-panahy natao ny Asabotsy 18 Jona 2011 lasa teo, tao amin’ny Fiangonantsika Chapelle Saint Paul.


Fotoan-dehibe tokoa izany eo amin’ny fiainan’ny Antoko Mpihira sy eo amin’ny fiainam-panahintsika rehetra eto amin'ny FKMP fa izay mihira, hono, dia mivavaka indroa.

------------------------------------------

------------------------------------------

FISAORANA ANTSIKA MIANAKAVY

Tontosa soa aman-tsara ny koranam-piankaviana nokarakarain’ny ANCMF nifarimbonany tamin’ny FKMP, nataontsika ny asabotsy 30 avrily 2011 lasa teo.

Namaly ny fanasantsika ny olona maro be. Heni-kaja ny Fiangonana ary nahazo fahafinaretana sy hafaliana ny nasaina. Ny vola azo dia enti-manana amin’ny asa pastôraly sahan’ny Fiangonana na ny Aumônerie Nationale.

Fisaorana mitafotafo no atolotra antsika rehetra nitoto nahafotsy nahandro nahamasaka. Nandany mondro kely, vola aman-karena. Nahafoy fotoana. Niandahy niambavy, tsy kely tsy lehibe. Ny firaisan-kina tahak’ireny ihany no ahavitan-javatra, izay hita taratra hatrany eto amin’ny FKMP. Mankasitra tompoko. An’Andriamanitra irery ihany ny vononahitra mandrakizay.

ANCMF
FKMP

------------------------------------------

FISAORANA AVY @ A.DIA.MADA (Zanaky ny Arsidiosezy Avaratry Madagasikara)

Amin'ny anaran'ny fikambanana ADIAMADA, no anehoako fisaorana mitafotafo sy fankatelemana, anareo mirahalahy/mianaka avy, tamin'ny fanampiana isan-tsojakany nentinareo tamin'ny fanatontosanay ny Litorjia notarihin'ny fikambanana ADIAMADA.

Sitraka enti-matory ho valiana raha mahatsiaro. Andriamanitra be fitiavana anie hamaly fitia anareo. Mirary koa izahay raha mirary ny hifankahita matetika, na tsy ho rodobe aza, fa dia nahafinaritra ny fisalahintsika mianakavy.

Miangavy an'i Prezidà ampita ny hafatra amin'ny ambaratongany ao ampiangonana (misaotra mialoha).

Mandrapihaona tsy ho ela.

Pascal RALAIMAZAVA
Prezidà A.DI.A.MADA
7, quater rue Girardin
78540 Vernouillet
Tél : 01 78 08 24 20
E-mail : a.diamada@yahoo.fr

Sary t@ lamesa 27 febroary nentanin'ny A.DI.A.MADA

------------------------------------------

FIVORIAN’NY FILAN-KEVITRA PASTÔRALY : ALAHADY 13 FEBROARY

Nivory tamin'ny Alahady 13 Febroary 2011 teo ny Filan-kevitra Pastôraly. Nandinika indrindra ny asa miandry eo amin’ny fanatevenana sy ny fanatsarana hatrany ny fiainam-panahy : Matsom-panahy, Litorizia, fandalinam-pinoana, Fankalazana ny Sakramenta. Teo koa ny fanomezan’ny toe-bolam-piangonana sy ny teti-bola. Ary ny fijerena ny fiaraha-miasa amin’ny ANCMF.

------------------------------------------

VAOMIERAN’NY FIARAHA-MONINA : MATSOM-PANAHY

Tanteraka soa amantsara ny Matsom-panahy nataon'ny Vaomieran’ny Fiaraha-Monina tany Lisieux (14) ny Asabotsy 12 sy ny Alahady 13 Febroary lasa teo. Koa isaorana lehibe an'Andriamanitra izany.

Niainga tamin'ny taratasy pastôraly nosoratan'i Kardinaly André Vingt-Trois
(La famille et la jeunesse : une espérance), ny famelabelarana notarihin'i mompera Edmond Andriambololona.

 

Tatitra an-tsary

------------------------------------------

FFKM – FRANTSA

Nisy Fiaraha-mivavaka ekiomenika (FFKM-FRANTSA) ny

 

Alahady 23 Janoary 2011,
nanomboka t@ 3 ora tolak’andro
.

 

Toerana :
Paroasy Saint-Anne
de la Butte-aux-Cailles
186, rue de Tolbiac - 75013 Paris

 

Misaotra ireo rehetra nikarakara sy nanampy tamin'ny fanatontosana izany.

(Fanasana)

------------------------------------------

ANDRO IRAISAM-PIRENENA NATOKANA HO AN’NY MPIAVY :

Nalefa mivantana tao amin’ny Fahitalavitra France 2 ny Lamesa fankalazana ny andro Iraisam-pirenena ho an’ny Mpiavy “Journée Mondiale des Migrants”.

Ny FKMP no voaasa hanentana izany Lamesa lehibe izany, izay notarihan’I Mgr SCHOCKERT, Eveka mpiahy ny Mpiavy sy Mpifindra monina. Izany dia natao ny Alahady 16 janoary 2011, tao amin’ny Paroasy Saint Pierre de Montrouge (Paris 14ème).

Ny lohahevitra dia ny hoe “Fianakaviana iray ihany”.
Ny lamesa dia niarahantsika malagasy tamin'ny mpiangona ao amin’ny Paroasy.

Messe du 16 janvier 2011

------------------------------------------

ASABOTSY 25 SEPTAMBRA 2010

t@ 9 ora sy sasany maraina

(Katedraly Notre-Dame de Paris)

LAMESA FANIRAHANA NY FILAN-KEVITRA PASTORALY

Notarihan'ny Kardinaly André VINGT-TROIS, Arsevekan'i Paris, sy ireo Eveka mpanampy ary ireo Pretra Curés sy Aumôniers marobe.

Nasaina tamin'io Lamesa lehibe io ireo Filan-kevitra Pastoraly rehetra isaky ny Paroasy teto amin'ny Diosezin'i Paris. Nisy solontena koa avy amin'ny FKMP.

Tatitra an-tsary

------------------------------------------

HEREZO NY DIA RAHAVANA

Manomboka taona pastôraly vaovao isika FKMP rehefa avy niala sasatra vetivety. Mangataka ny fahasoavan’Andriamanitra hirotsaka amintsika mba hahefa be. Tsy mora ny iraka ampanaovina antsika nefa ny enta-jarai-mora zaka raha atao soroka miara milanja, tongotra miara-mamindra .....

(Tohin'ny teny fampidirana avy @ Biraom-piangonana FKMP)

------------------------------------------

FANENTANANA NATAON'NY FKMP TANY AMETTES (Alahady 29 Aogostra 2010)

Fisaorana

------------------------------------------

ZAIKABE 2010 PARAY LE MONIAL

Fisaorana

Tatitra sy sary

FILAZANA MANJO
Amin'ny alahelo lehibe sy amin'ny amin'ny finoana ny Fitsanganan-ko velona no ilazana antsika Kristianina rehetra eto amin'ny FKMP fa nodimandry ny Alarobia 27 Jolay 2011, teo amin'ny faha- 76 taonany
 
Itompokolahy RAKOTOZAFY Joseph
dadan'ny Momperantsika
 
 

Nisy Sorona Masina natolotry Mompera Edmond ho fialan-tsasatry ny fanahin'ny rainy, ny alakamisy 28 jolay tamin'ny 7 ora sy sasany hariva, tao amin'ny Chapelle Saint Paul (171 bd Brune - 75014 Paris). Misaotra ireo kristianina rehetra izay afaka nanotrona sy niara-mivavaka tamin'izany.

ELIASY Liva
Filohan'ny FKMP

 

FILAZANA MANJO

Amin'ny fihavanana no hampandrenesinay anareo fa ny  hava-malalanay

Itompokolahy  Hervé RALAIVAO  RALAIMBOASEHENO
dia nantsoin'ny Ray hody any aminy ny Talata 12 jolay 2011 teto Paris.

Hoy
ny vadiny  :  Marianne RASOAFARA 
Ny zanany :  Laza RALAIVAO sy Faraniaina  ary ny zanany
                   Saholy sy Jean-Pierre RAKOTONIAINA ary ny zanany
                   Sedera RALAIVAO sy Lanto  ary ny Zanany
                   Hanta  sy Rolland RAMANANTSOA  ary  ny zanany

Ny razana dia efa nampodiana any an-tanindrazana ny Zoma 15 jolay 2011.
Ny fianakaviana dia hanao fotoam-pivavahana ny Alahady 31 Jolay amin'ny 4 ora tolak'andro ao amin'ny FKMP Chapelle Saint Paul (171 Bd Brune 75014 Paris).

Ny Fianakaviana

Fampatsihivana : Itompokolahy dia efa Filoha Lefitra teto amin'ny FKMP (1989-1990).

FILAZANA MANJO

RAKOTOZANANY James sy Sylvia mivady, izay tao amin’ny Vaomieran’y Fifandraisana dia mampandre antsika amin’ny alahelo lehibe fa i Sylvia dia namoy ny rainy :

Itompokolahy RAJAONARY Sylvestre
teo amin'ny faha-75 taonany
ny Alatsinainy 20 Desambra 2010

Ny razana dia efa voalevina soa aman-tsara any Strasbourg (67), ny Alakamisy 23 Desambra 2010 teo. Mivavaha ho azy sy ny fianakaviany.
TERA-BAO

Mahafaly ny mampandre antsika rehetra fa teraka kambana mirahavavy tamin'ny Alahady 14 Novambra 2010 teo i Dina vadin'i Patrick RAKOTONARIVO izay sady mpikambana ao amin'ny Antoko Mpihira no Mpitambolan'ny ANCMF. Raitra sy Vanona no anarana entiny.

Faly miarahaba azy ireo tonga soa ny FKMP, ary mirary fahavitrihana ho an'ny reny sy ny zaza e.Maroroha taiza.













Archives
Vous cherchez un article, une vidéo, ou des photos?
Venez visiter nos pages d'archives.

Par ici...
Bokin-damesa
Eglizy boky lamesa

Lettre Pastorale
NOELY

FIANARANA-KIRAN’NY ANKIZY HO AN'NY NOELY 2011

 

Ampatsiahivina isika mianakavy fa ny zanatsika dia mianatra hira hatao amin'ny Noely isan'Alahady aorian'ny Lamesa. Koa manainga antsika ray aman-dreny amin'izany ho an'ny zanatsika.


KOLONTSAINA

Ny fampianarana teny malagasy ireo zanantsika dia isaky ny Alahady voalohan’ny volana.

  Thierry ANDRONIC